Ilay fitia ho anao

tantaram-pitiavana tohizanao mpitsidika

nyeja | 25 Aprily, 2006 02:10

 

tantaram-pitiavana iray no entiko ho anareo mpitsidika ny blaogy "ilay fitia ho anao" , izy ity dia hafakely satria araka ny aingam-panahinao mpamaky no hanohizanao ny tantara ary dia samy manohy izany avokoa isika mpitsidika eto, isan'andro dia tohizako indray ary dia ataontsika izay mahafinaritra antsika eto.

miangavy anareo mpitsidika mba tsy hanapaka ny tantara fa ny tenako ihany no afaka mamarana azy  fa ny anjaranareo mpitsidika dia ny manohy hatrany .

tsy azo atao ny miteny mamohafady sy manohy ny tantara amin'ny fomba tsy maontina .

izany no ela fa dia atomboko ary ny tantara :

TOKY ILAY FITIAVAKO

MARAINA NY  ANDRO, mitaratra be manatrika ahy  ny  masoandro any ivelany ka nitsangana aho hijery ity hakanton'ny andro vao maraina vaovao,

vao mitazana eo abaravarakely dia mamerovero ery ny voninkazon'i Neny , raozy miloko maro  samihafa, ireo sisano mba namany sy iresahany  hatramin'izay nahalasanan'i  dada izay, somary gaga aho nahatazana fa toa misy fiarakodia mijanona eo an-tokotany, ary tao aorinan'izay dia indro henoko mipoapoaka avy any an'efitrano anyny figadon'ny kiraron'i neny miakatra aty an'efitranoko, haiko avahana ao anatin'ny figadon'nyfandeha hafa mantsy ny an'i neny ary avy hatrany dia nivoha ny sfitranoko efa avy nandondona indroa izy .

 -manao ahoana ianao ry  neny ! hoy aho.

-manao ahoana ianao anaka, angaha ianao tsy mbola miasa

 - tsia ry neny, rahampitso aho vao miditra miasa.

hay sady nanantona ahy  i neny toa hibitsika amiko ka niandry azy hilaza izay ho lazainy aho.

 -  misy vahiny miandry anao ao ambany! hoy i neny

-iza izany hoy aho somary gaga

 - mitady anao ao ambany rihana ao i  Toky !

taitra mafy aho ka nitselatra tsy nisy toy izany   ny foko

  i toky hoe ? inona no itadiavany ahy , efa ho roa taona izay  no nandaozany ahy tsy fantatra hoe nahoana dia nisaraka izahay , te ahita azy aho no tsy te ahita azy koa toa sadaikatra mafy aho nieritreritra izay  ataoko .

-Riana a, tsy horaisinao angaha ny vahiny hoy i neny sady nivoaka ny efitranoko izy .Toa manery ahy ankolaka hanapaka hevitra fa tokony horaisiko ity vahiny .

mankatoa ray aman-dreny aho ary tsy sitrako ny hanao izay hampalahelo an'i neny ka dia nanapa kevitra aho ny handray azy .

efa avy nidio sy  nihogo ny voloko ho tsara voatra aho dia nampiditra ilay akanjoko mavokely  feno kisary raozy ary nidina handray ity vahiny.

Vao eo amin'ny tohatra aho dia efa mahatzana an'i toky mijeoro eo afovoan-trano, miakanjo mianjaika aok'izany ary nibika ahy nidina ny tohatra sady mitsikitsiky fatratra,

sady nanolo-tanana ahy izy  no niteny hoe

- Riana , ela izany tsy nahitako anao...

(anjaranao mpamaky no manohy ny tantara tompoko)

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb